Ted, fanodinan-teny marevaka
Fanolorana 1
Endrika
Ted ho an'ny Linux: zom-pandikana
sy fiambohoan-jo
Ahoana ny fametrahana an'i Ted
Lahatsoratra sy faritoetran-dahatsoratra
Sary
Maniditra sary sy maritsoratra mitendro
Mandika/Mametaka
Mitady sy Manolo Lahatsoratra
Manamarin-tsipelina
Tsoratadidy
Andininy sy ny fanipika
Takelajoro
Tsinjara
Lohapejy, tongopejy, mari-daharam-pejy
Habe sy Sisim-pejy
Manonta avy amin'i Ted, manoratra PDF Acrobat
Mitahiry rakitra ho HTML sy lahatsoratra tsotra
Mandefa taratasy avy amin'i Ted
Ahoana ny fampiasa an'i Ted ho mpihazon-tahaketsika na fampiharana mpanampin'i Netscape
Mampiendrika an'i Ted
Manampy endritsoratra amina fametrahana an'i Ted
Mampakatra endritsoratra amina mpanonta ParaSora
Mampiasa mpandrindra hoaka hafa noho ny mwm
Anarana filatron'akora
Mampivangongo an'i Ted avy amin-doharano
Mamboatra rakibolan-tsipelina ho an'i Ted
Fankasitrahana
Mpanoratra
Fanolorana
Mpanodin-teny mihodina amina
tandrafitra Windows X ao amin'ny Unix/Linux i Ted. Notefena ho mpanodin-teny mifaobe tsotra i
Ted, ka mitana ny andraikitry
Wordpad ao amin'ny Windows-MS. Eo amin'ny fanefany asa dia matanjaka noho ny Wordpad i Ted. Mikatsaka ny marimaritra an-keban'ny fahatsoran'ny Wordpad sy ny fahavitan'ny MS-Word asa izy.
Mazava ny fahabangan'ny fahafaha-mitendry taratasy sy kisila-tsoratra ary
tatitra tsotra amina milina Unix/Linux. Diso matetika loatra ny tranga
mahavoatery ny tena hitodika mankamin'ny milina MS-Windows mba hanoratra
taratasy na rakitra. I Ted dia
natao handrarian-drakitra misy lahatsoratra marevaka ao amin'ny Unix/Linux
amin'ny fomba "i.ta.n.a" (izay-tazana-no-azo).
Nitana anjara toerana lehibe teo
amin'ny famolavolana an'i Ted
ny fifampifanarahana azy sy ny fampiharana be mpahalala MS-Windows. Ny rakitra tsirairay vokatra avy
amin'ny Ted dia tsy maintsy
eken'ny Word ho tahiry .rtf
[RevaTsoratraFirafitra] manara-dalana, ary amin'izany dia tsy misy latsaka
ny fandrafetana sy ny ampahalalaina. Sarotra tanterahina kokoa ny
fifampifanarahana mifamadika amin'io.
Mahazaka ny endri-pandrafetana maro
amin'ny fampiharana Microsoft i Ted. Hadinoiny ny torolalam-pandrafetana sy
ny fahalalam-piovana hafa.*). Rehefa manadino ny fandrafetana tsy zakany i Ted dia manandrana mametraka ny
lahatsora-drakitra manontolo eo ambony fandisana na mandefa azy mankany
amin'ny mpanonta. Afaka ampiasaina hamakian-kafa-malady voarafitra alefa
miainga amina milina Windows
mankamin'ny Unix i Ted, na hanontan-drakitra mirafitra RTF, na
hamadian-drakitra mirafitra RTF hirafitra Acrobat PDF. Hazavaina etsy
ambany ny fampiendrehana an'i Ted ho toy ny mpijery ao amin'i Netscape, sy ny fomba famadihan- drakitra mirafitra RTF ho PDF amin'ny
alalan'i Ted sy GhostScript.
Manantena aho fa ho hitanao fa hilainao i Ted. Mba ampahalalao azafady ny vaniny ho
hitanao mba hahafahako mamboatra azy.
*) Tsy voatahiry koa ny fahalalana nohadinoina sasany
rehefa ovainao ary avy eo tahirizinao amin'i Ted ny rakitra iray.
Endrika
·
Fandrarian-dahatsoratra
marevaka Itana. Azonao ampiasaina daholo ny endritsoratra rehetra izay sady
manana tahiry .afm no afaka ampiasaina ho endritsoratra X11. I Ted dia mivoaka miaraka amin-tahiry .afm ho
an'ny endritsoratra Adobe izay
afaka ampiasaina ao anaty rafi-Tsoratava sy anatin'ny mpanonta parasora
rehetra: Times, Helvetica, Courier, ary Symbol. Ny endritsoratra sasany
dia azo anampiana miaraka amin'ny fanatontosana X11 mahazatra. Zakan'i Ted ny toetra mampiavaka ny endritsoratra
toy ny matevina sy mandry; torak'izany koa ny mitsipika sy milady ary
miantona.
·
Ny Microsoft RTF no ampiasain'i Ted ho fandrafetan-tahiry reniny. Afa-mamaky
tahiry vokarin'i Ted ny Microsoft Word sy Wordpad. Raha ny
mahazatra dia afa-mamaky tahiry mirafitra .rft avy amin'ny Microsoft Word sy
Wordpad i Ted. Koa satria tsy mahazaka ny endriky ny Word rehetra i Ted dia
mety ho very ny fahalalam-pandrafetana sasany.
·
Sariteboka
an-dahatsoratra sy tahirin-tsary fitana
·
Fanontana
ParaSoran-drakitra sy fandravahana. Ny tahiry ParaSora voatahiry dia miaty
marika pdf izay avadika ho rohibe rehefa avadika ho PDF Acrobat.
·
Manamarin-tsipelina
amina teny latina roa ambin'ny folo.
·
Mandefa
rakitra mivantana avy amin'i Ted.
Ny hafatra mirafitra HTML dia hafatra maro fizarana misy sary rehetra.
·
Manety/Mandika/Mametaka,
amin'ny fampiharana hafa koa.
·
Mitady/Manolo.
·
Fanipika:
Fikinifinifin'ny andininy, Fikinifinifin'ny andalana voalohany, Kihebaheba.
Fanipika Mandika/Mametaka.
·
Firam-pejy.
·
Lohapejy sy
tongopejy. Mari-daharam-pejy anaty lohapejy sy tongopejy.
·
Takelajoro:
Manisika Takelajoro, Tsivalana, Tsanganana. Manova
sakan-tsanganan-takelajoro amin'ny fanipika.
·
Zaka
tanteraka ny Sariohatra sy maritsoratra mitendro.
·
Rohibe sy
tsoratadidy.
·
Mitahiry
rakitra amin'ny rafitra HTML.
·
Angamba ny
fandravahana tsara indrindra ny azonao atao amin'i Ted dia ny fandraketana izay natao tamin'i Ted.
Ity ny fandraketana ho an'i Ted 2.10.
Ted ho an'i Linux: zom-pandikana sy
fiambohoan-jo
Rindranasa bojo i
Ted. Te-handray anjara amin'ny fampielezana an'i Linux ho lapihazo azo iriranana ho ana
mpankafy haitaon-tsolosaina aho amin'ny fanaovako an'i Ted ho azo alaina amin-kalalahana. Satria
rindranasa bojo i Ted dia
manasa tanana amin'izay fiantraikan'ny fampiasana azy aho. Miankina aminao
ny fanapahan-kevitra ny amin'ny mampety na tsy mampety an'i Ted amin'ny tanjonao. Zaraina tsy misy fiantohana na dia kely aza i Ted araky ny fifanarahana ao amin'ny GNU
Public Licence.
Ny fametrahana an'i Ted
Arakaraky ny lapihazo sy ny
karazam-pizarana ny fametrahana an'i Ted. Azo ampidinina avy ao amin'ny tanana ftp://ftp.nluug.nl/pub/editors/Ted ny fizarana mimari-droa ho an'i Linux Intel ix86. Atolotry ny unc metalab:[http,ftp]://metalab.unc.edu/pub/packages/editors/Ted ny fitaratra amerikana iray.
Miendrika fandraketan-kaitra mifatratra sy fonosa-mpandrindra ny Red Hat (RPM) ny fizarana. Mety ho azo
alaina avy amina kapila mifatratra ny fizarana mimari-droa hafa. Jereo ny
tanana an-tranokalan'i Ted
http://www.nllgg.nl/Ted
raha mila fanazavana amboniny na fahalalana nivoaka tato ho ato.
Raha hametraka an'i Ted na ny iray amin'ireo fonosan-toerana ao
amin'ny fonosana RPM dia mitsofoha amin'ny maha-faka ary omeo ny baiko rpm -i <package-details>.rpm . Raha
hanondro-drafitra miainga amina endritsehon'i Ted taloha dia omeo ny baiko rpm -U
<package-details>.rpm.. Ny azo tanterahina ao
amin'ny fonosana mimari-droa dia midoko fitohy, noho izany dia tsy misy
fifampiankinana eo amin'ny tranomboky iombonana. Raha tia tranomboky
iombonana sy ny piritsony ianao dia ianao ihany no mila manangona an'i Ted.
Mety tsara kokoa ny fametrahana avy
amina fandraketan-kaitra mifatratra raha afangaro ny kisora-pametrahana
installTed.sh sy ny tahiry
Linux Software Map (LSM) mifanitsy aminy. Ampidino ao amina
lahatahirin-drango-pohy toy ny /tmp ny tahiry; mitsofoha amin'ny maha-faka;
ampandehano avy ao amin'io lahatahiry io ny sh installTed.sh. Raha tsy
afa-mitsofoka amin'ny maha-faka ianao dia afaka mampandeha ny baiko sh installTed.sh
PRIVATE. Avy eo dia milaza aminao izay ho aiditra ao amin'ny tahiry .Xdefaults na .Xresources ny
kisora-pametrahana fametrahana mba hahavanona ny fametrahana.
Afaka sokafanao tanana ny
fonosan-pandraketan-kaitra mifatratra raha toa tsy tia fametrahana mora
ianao. Izany dia vinanian'ilay rindranasa fa ataonao ao amin'ny /usr/local.
Ao amin'ny /usr/local/afm no mivalona ny tahiry mimetatry ny endritsoratra
Adobe, ary ao amin'ny /usr/local/ind ny rakibolam-panamarinan-tsipelina.
Napetraka ho /usr/local/info/TedDocument.rtf io rakitra an-tserasera io. Napetraka ao amin'ny
/usr/local/info ny tahirim-bovom-pampiharana, ohatra,
Ted.ad.sample. Afaka manova ireo toerana ireo ianao
amin'ny fampitohizana ny vovo X11 toy ny .Xdefaults na .Xresources, ohatra,
raha toa ka manapa-kevitra ny hametraka an'i Ted any an-toeran-kafa. Jereo ny tsinjara momba ny fampiendrehana eo
ambany. Aza hadinoina ny miantso ny umask 0 alohan'ny hanokafanao ny fonosana.
Azo atao koa ny manangona an'i Ted avy amina loharano. Jereo ny
torolalam-panangonana any amin'ny faran'ity rakitra ity.
Topy maso an'ireo fonosana samihafa:
|
Fonosana
|
Fonosana RPM: tahiry
|
Fandraketan-kaitra, tahiry LSM
|
|
Fonosana mimari-droa tsotra ho an'i Intel Linux. ( misy
tsipelin' anglisy amerikana)
|
Ted:
|
|
|
Mametraka kisora-draki-pandraketan-kaitra sy kisoratra
LSM Install ho an'ny jarirakitra Tar sy tahiry LSM
|
|
|
|
Tsipelina sy hafatra alemana
|
Ted_nl_NL: ')
|
|
|
Tsipelin'anglisy biritanika
|
Ted_en_GB: ')
|
|
|
Tsipelina sy hafatra alemana
|
Ted_de_DE: ')
|
|
|
Tsipelin'esipaniola
|
Ted_es_ES: ')
|
|
|
Tsipelim-portigizy
|
Ted_pt_PT: ')
|
|
|
Tsipelina sy hafatra frantsay
|
Ted_fr_FR: ')
|
|
|
Tsipelina italiana
|
Ted_it_IT: ')
|
|
|
Tsipelina sy hafatra tseky
|
Ted_cs_CZ: ')
|
|
|
Tsipelina sy hafatra danoa
|
Ted_da_DK: ')
|
|
|
Tsipleina soedisy
|
Ted_sv_SE: ')
|
|
|
Tsipelina norveziana
|
Ted_no_NO: ')
|
|
|
Tsipelina polonezy
|
Ted_pl_PL: ')
|
|
|
Tsipelina sy hafatra slovakiana
|
Ted_sk_SK: ')
|
|
|
Hafatra hongoriana
|
Ted_hu_HU: ')
|
|
|
Loharano #)
|
Ted:
|
|
|
Oha-drakibolan-tsipelina @)
|
|
|
|
rtf mankamin'ny pdf
rtf mankamin'ny PostScript
|
|
|
')
Novana anarana ny fonosan-tsipelina nanomboka tamin'ny Ted 2.6 mba hifanaraka amin'ny
fifanaraham-panomezana anarana. Raha mitaraina mombana fifanoherana ny rpm
dia esory azafady ny fonosana taloha manohitra izay mampiasa ny baiko rpm -e old_package.
#)
Azafady
vakio ny torolalam-panangonana any amin'ny faran'ity rakitra ity alohan'ny
hanombohanao ny fanangonana an'i Ted. Fohy sady tsotra ireo torolalana ireo.
@)
Azafady
mitodiha mankamin'ny fanazavana any amin'ny faran'ity rakitra ity.
")
Ho an'ireo
teny izay mampiasa ny kivorin-endritsoratra Latina 2 dia ny endritsoratra
Latina 2 no tsara indrindra. Fehezana ilain'ny endritsoratra Latina 2 ny
fonosana ult1mo. Tsy manome ZoroMandry ho an'ny endritsoratra matevina
mandry ny endritseho ankehitriny. Mila manisika zoro miiba an-tanana mba
hahalavorary ny fiasan'ny Ted.
Mitendre fotsiny raha hampiditra
lahatsoratra. Misisika eo amin'ny toeram-panisifana izay miendrika hitsy
mijoro mipipika ao anaty lahatsoratra izay tendrenao. Raha misy
fari-dahatsoratra navohitra dia misolo ny faritra manontolo izay tendrenao.
Azo fafana amin'ny fanendry hebaivoho ny maritsoratra tokana. Ny
endritsoratra eo alohan'ny toeram-panisifana no fafan'io fanendry io. Ny
fanendry Mamafa (Delete) dia mamafa ny endritsoratra eo aorian'ny
toeram-panisifana. Ny fanendry Hebaivoho (Backspace) sy Mamafa (Delete) dia
mamafa fari-dahatsoratra navohitra, raha misy izany. Raha mamafa ny
endritsoratra eo alohan'ny toeram-panisifana ny fanendry hebaivoho dia
tian'ny fiendrehan'ny X11 ao aminao ho fanendry Mamafa (Delete) izy.
Mitodiha mankao amin'ny tsinjara momba ny X11 etsy ambany raha mila
antsipirihany.
Azo afindra amin'ny fanendry tondro ny
toeram-panisifana, na amin'ny fipihana ny bokotra havian'ny totozy eo
amin'izay toerana irina hisy azy. Ny fanendry `Antrano' (Home) dia mamindra
ny toeram-panisifana mankany amin'ny lohan'ny andalana. Ny fanendry
`Farany' (End) dia mamindra azy mankany amin'ny faran'ny andalana. Azo
taritina ny fari-dahatsoratra navohitra rehefa tazonina mifoletaka ambany
ny bokotra havian'ny totozy. Azo atao koa ny mifantina fari-dahatsoratra
amin'ny fanendry izay mamindra ny toeram-panisifana: Tsindrio ilay fanendry
sady ajanony ambany ny fanendry manisaka (Shift). Asehon'i Ted anao amin'ny alalan'ny tokontany manga
tanora nosoritany ho temotry ny faritra mivohitra izay navohitrao.
Raha hanova ny endritsoratra ao amin'ny
faritra mivohitra dia ampihetseho ny fitaovan-Endritsoratra amin'ny
fipihana ny safidy `Fitaovan-Endritsoratra' eo amin'ny sakafo
`Endritsoratra'. Asehony anao ny endritsoratra ao amin'io faritra mivohitra
io. Fidio eo amin'ny Fitaovan'Endritsoratra izay endritsoratra tianao
hampiasaina amin'ny faritra mivohitra, avy eo tsindrio ny bokotra
`Mampijadona'. Rehefa misafidy endritsoratra iray ao amin'ny
Fitaovan'Endritsoratra ianao dia mitranga eo amin'ny endritsoratra
nosafidiana ny anarany. Miseho eo amin'ny iray amin'ny endritsoratra
nosafidiana ny fanoritsoritana ny fisafidianan'endritsoratra maro karazana.
Azonao averina ampifanarahana amin'ireo endritsoratra ao amin'ny faritra
mivohitra ny Fitaovan'Endritsoratra amin'ny alalan'ny bokotra `Tampody'.
Manamora ny fampiasana
faritoetran-dahatsoratra mitovy ao amina tsinjara samy hafa ao amin'ny
lahatsoratrao ny safidin-tsakafo "Mandika Endritsoratra" sy
`Mametaka Endritsoratra. Avohiro ny toerana misy endritsoratra tianao
hampiasaina any an-toeran-kafa dia piho ny safidy `Mandika Endritsoratra.
Avy eo dia avohiro ny fari-dahatsoratra iray ary piho ny safidy `Mametaka
Endritsoratra.' Lasa manana ny faritoetr'ilay lahatsoratra nadikanao avy
tamin'ny toerana voalohany ilay faritra mivohitra.
Feran' ny fehezan-javatra ao amin'ny
tahiry .afm ao amin'ny /usr/local/afm ny fehezan'endritsoratra azon'i Ted ampiasaina. Izay endritsoratra
manan-tahiry mimetatra ao ihany no azo ampiasaina. Mampiasa
fampitrandrahana mifototra amin'ny anaram-pianakavian-endritsoratra sy ny
faritoetran-endritsoratra i Ted
mba hahitana endritsoratra X11 manana endritsoratra afaran-tsoratra
(parasora). Mitodiha mankany amin'ny tsinjara momba ny fanampiana
endritsoratra misy zotran-kirakira fampiraisana ny endritsoratra X11 sy
endritsoratra Parasora amin'ny fomba mangalahala. Izay endritsoratra
ahafahana mahita endritsoratra X11 ihany no azo ampiasaina avy amin'i Ted. Marihina fa ho an'ireo endritsoratra ao
anaty vondron-tsoratra hafa noho ny vondron-tsoratra Latina 1 dia mila
manana famari-tomboka marina ny tahiry AFM sy ny endritsoratra X11 ary ny
endritsoratry ny mpanonta. Ny endritsoratra ao amin'ny famari-tomboka
mifaobe Adobe ihany no averin'i Ted marihin-tomboka. Ny endritsoratra hafa rehetra dia ampiasaina
tsy misy fanovana.
Azonao ampiasaina koa ny safidy eo
amin'ny sakafo `Endritsoratra' raha hanova faritoetran-dahatsoratra tsotra
toy ny `Matevina,' `Mandry,' sy `Mitsipika.' Ny Lady sy Miantona dia manambara ny toeran'ny 2 ao amin'ny H2O sy x2, raha asesy.
Mampiseho ny Fitaovan'Endritsoratra
ireto fandravahana manaraka ireto.
Sary
Afaka mampidi-tsary ao anaty
lahatsoratra ianao. Mba hanaovanao an'io dia fanteno ny safidy `Mampiditra
Sary' eo amin'ny sakafo `Manisika.' Avelan'ny tahiry mpampifidy misafidy
tahirin-tsary ho aiditra anaty lahatsoratra ianao. Zaka ny
tahirin-drafi-tsary fampiasa matetika toy ny tiff, bmp, xwd, sy jpeg. Azo
atao koa ny mameta-tsary avy amina fampiharana X11 hafa. Indrisy anefa fa
voafetra ihany ny isan'ny fampiharana X11 izay tena mahazaka ny
Mandika/Mametaka sary.
Raha hanova haben-tsary dia piho indroa
amin'ny alalan'ny bokotra havian'ny totozy ilay sary. Mipoitra ny efajoro
valo fanovana habe. Manova ny haben'ny sary ny fisarihana ny efajoro avy eo
ambany na avy eo amin'ny havanana. Ity manaraka ity dia sary eo am-panovana
habe.
Mampiditra
sariohatra sy endritsoratra mitendro
Afaka mampiasa ny fitaovana fitsongo
sariohatra ianao raha hampiditra sariohatra voatokana ao anaty
lahatsoratra. Fidio ny `Mampiditra Sariohatra' ao amin'ny sakafo
`Sariohatra' ao amin'ny sakafo `Manisika' na ny sakafo `Fitaovana' mba
hampihetsika azy. Asehon'ny fitsongo sariohatra ny endritsoratra rehetra
azo ampiasaina amin'ny endritsoratra miasa ankehitrio. Azonao atao na ny
misafidy sariohatra dia manindry ny bokotra `Manisika,' na koa manapika
indroa ny sariohatra ilaina. Azo safidiana amin'ny fitsongo endritsoratra
eo ambony sariohatra ny sariohatra avy amina fianakavian-endritsoratra
hafa.
Azo tendrena mivantana ny endritsoratra
mitendro mahazatra. Mahazaka fanendry mamboatra ny fomba famahanana ao
an-toerana izay navangongo ao amin'ny tranombokin'ny X11 raha toa ka
voamari-tomboka ara-dalana ny mpandrindra X11 ao aminao. Ahafahanao
manisika endritsoratra mitendro ny fanendry <mamboatra> amin'ny
fitendrena an'ireto: <Mamboatra> <Taratasy> <Tendro>, na
<Mamboatra> <Tendro> <Taratasy>. Rehefa endritsoratra
`ascii' mitovy endrika amin'ny tendro ilaina ny <Tendro> dia manome á
ny E.G. <Mamboatra> a '. Ohatra hafa: manome ˝ ny <Mamboatra> 1
2.
Mazana dia petahana anarana `Scroll
Lock' ny fanendry `Mamboatra' amin'ny hela-panendrin'ny solosain-tsamirery
(SoSa) mba hampahatsikaiky anao. Mitodiha ao amin'ny adininy momba ny
fampiendrehana X11 izay misy fanamarihana fanampiny.
Mandika/Mametaka
Mahazaka ny Mandika/Mametaka i Ted avy amin'ny tenany ihany sy avy amin'ny
fampiharana X11 hafa. Afaka mitadidy sila-dahatsoratra na sary ianao
amin'ny alalan'ny safidin-tsakafo `Mandika.' Ny safidin-tsakafo `Mandika'
dia ahafahanao mametaka ny lahatsoratra notadidina any an-toeran-kafa ao
amin'ny rakitra iasana ihany, na any amina rakitra hafa.
Eo anivon'ny rakitra Ted ihany no zaka ny Mandika/Mametaka
amin'ny lahatsoratra voarafitra *).
Azo ampifanakalozina amin'ny
ankamaron'ny fampiharana Ted ny
kofehin-dahatsoratra iva rafitra toy ny kihebaheba sy andalanavaovao.
Zaka eo anivon'ny hoaka Ted, sy eo anivon'ny
Ted sy Scan ny Mandika/Mametaka sary, ary voatazona ny
toetran-drefim-piendrehana. Azo ampiasaina miaraka amina fampiharan-tsary
mirona amin'ny X11 ka mahazaka fampifanakalozana voafantina PIXMAP koa ny
Mandika/Mametaka. Very ny toetram-pari-drefy amin'ireny fampiharana ireny,
toa ny xmag sy xpaint.
Ao amin'ny mari-tomboka dia misy
tobim-piasana voatokana mba hiaraha-miasa amin'ny zotran-kirakira
Mandika/Mametaka izay tanterahin'ny xv samirery miaraka amin'ny toetra miavaky ny hoaka X11 ao amin'ny
hoakan'ny faka. Ireo X11 voafantina ka manaraka ny fifanarahana X11
Inter-Client Communications Manual (ICCCM) (Boky Fifanakalozan'ny Samy
Mpanjifa) dia mahazo vahana foana alohan'ireo avy amin'ny xv. Mampiavaka ny fomba fanatanterahan'ny xv ny hela-tsilaka ao aminy io, izay tsy
helingelina ao amin'ny Ted.
Afaka mifehy ny Mandika/Mametaka-n'ny
zava-drehetra afa-tsy ny lahatsoratra tsotra ao amin'ny rindranasa ny
Mpamboatra Netscape sy ny Gimp. Io no mahatonga ny tsy fahafaha-manao
Mandika/Mametaka amin'ny rindranasa izay manao ny Mandika/Mametaka amin'ny
fomba fanao amin'ny X11 toa an'i Ted.
*)
Ara-kevitra
dia mety hahazaka azy ny fampiharana hafa: safidy=PRIMARY, tigetra=RTF;
rakitra rft feno ny atin'ny hoakan-toetra mampiavaka izay ampifanakalozina.
#)
Ara-kevitra
dia mety hahazaka azy ny fampiharana hafa: safidy=PRIMARY, tigetra=PNG;
sary png feno ny atin'ny hoakan-toetra mampiavaka izay ampifanakalozina.
Mitady sy Manolo Lahatsoratra
Afaka mitady sila-dahatsoratra sasany
amin'ny `Fitaovana Mizaha' ianao. Afaka mampihetsika ny `Fitaovana Mizaha'
amin'ny fisafidiana ny `Mizaha' eo amin'ny sakafo `Fitaovana,' na amin'ny
fitendrena Geja-F (Control-F). Manana fahitra roa ny fitaovana Mizaha.
Azonao aiditra eo amin'ny fahi-dahatsoratra eo amin'ny fahitra voalohany ny
lasitra zahanao. Azonao aiditra ao amin'ny fahitra faharoa ny asolo
toerana. Mizaha ny poitry ny lasitrao manaraka ao anaty rakitra ny bokotra
`Mizaha.' Mikaroka manao dia mihanoitra ao amin'ny rakitra ny bokotra
`Anoloana.' Rehefa hita ny lasitra dia azonao aiditra ny asolo toerana ary
tsindrina ny bokotra `Manolo' mba hanoloana ny lasitra amin'ny asolo
toerana. Lala-manitsin'ny `Manolo' sy `Manaraka' avy eo ny bokotra
`Manolo,Manaraka.'
Ny andraman'ny Ted zahana ao anaty lahatsoratrao dia tsy sila-dahatsoratra fotsiny
fa fiteny manara-pitsipika arakaraky ny lanjan'ny fahi-pamarika eo
ambanin'ny lasitra. Fitaovam-pizahan-tsila-dahatsoratra samy hafa indray
mifaoka ny fiteny manara-pitsipika. Raha ny tokony ho izy dia tsy ho
voasintona hampiasa fiteny manara-pitsipika mihitsy ianao. Afaka
mampihetsika ny fahi-pamarika ny mpampiasa avo fahaizana raha hijery
tandrifin-teny manara-pitsipika.
Nindramin'i Henry Spencer avy tao
amin'ny tranomboky regex ny fiteny manara-pitsipika trandrifin'ny haikajy
ao amin'ny Ted. Azafady jereo
any amin'ny fankatelemana ny antsipirihany. Ity dia tsongaiko avy amin'ny
matoan-drakitsoratr'i Henry Spencer: (Azafady, tokony ho fantatry ny
mpampiasa mihelina fa izy dia tsy mila mampiasa na mahazo ny atao hoe
fiteny manara-pitsipika.)
DRAFI-PITENY
MANARA-PITSIPIKA
Ny fiteny
manara-pitsipika dia sampana aotra na mihoatra, ary sarahan'ny `|'.
Mifanandrify amin'izay rehetra mifanandrify amin'ny sampana iray amin'ireo
sampana ireo izy.
Ny sampana
dia silaka aotra na mihoatra, miray rohy. Izy dia mifanandrify amina
tandrify voalohany, arahina tandrifin'ny faharoa, sy ny sisa.
Ny silaka dia tsivaky mety
ho arahin'ny `*', `+', or `?'. Ny tsivaky arahin'ny `*' dia mifanandrify
amina fisesim-banin'ny tandrifin'ny 0 na mihoatra ao amin'ny tsivaky. Ny
tsivaky arahin'ny `+' dia mifanandrify amina fisesin'ny tandrifin'ny 1 na
mihoatra ao amin'ny tsivaky. Ny tsivaky arahin'ny `?' dia mifanandrify
amina tandrifin'ny tsivaky, na tandrifin'ny tohivakana foana.
Ny tsivaky dia fiteny
manara-pitsipika anaty fononteny (mifanandrify amina tandrifin'ilay fiteny
manara-pitsipika), kiheba (jereo eo ambany), `.' (mifanandrify amina
endritsoratra iray), `^' (mifanandrify amin'ny tohivakana foana eo amin'ny
fiantombohan'ny fahan'ny tohivakana), `$' (mifanandrify amin'ny tohivakana
foana eo amin'ny fiafaran'ny fahan'ny tohivakana), `\' arahin-endritsoratra
tokana (mifanandrify amin'io endritsoratra io), na endritsoratra tokana tsy
misy heviny mampiavaka hafa (mifanandrify amin'io endritsoratra io)
Ny kiheba dia
fisesin-endritsoratra fonosina ao anatin'ny `[]'. Raha ny tokony ho izy dia
mifanandrify amina endritsoratra tokana rehetra avy amin'ilay fisesy izy.
Raha manomboka amin'ny `^ ny fisesy dia mifanandrify amina tarehintsotra
tokana rehetra tsy avy ao amin'ny ambin'ny fisesy izy. Raha toa sarahina
`-' ny endritsoratra roa ao anaty fisesy dia fanafohezana ny lisitra
fenon'ny endritsoratra ASCII eo anivon'izy samy izy (oh: ny `[0-9]' dia
mifanandrify amina tarehimarikampolony rehetra). Raha ampidirina ao anaty
fisesy ny litera faka `]' iray dia ataovy endritsoratra voalohany
(manaraka ny `^', ohatra). Raha ampidirina ny litera faka `-' iray dia
ataovy tarehintsotra voalohany na farany.
MANJAVOZAVO
Raha toa ka afaka
mifanandrify amina silaka roa samy hafa ao amin'ny tohivakam-pahana ny
fiteny manara-pitsipika iray dia ilay silaka iray manomboka voalohany no
hifandrifiany. Raha toa ka toerana iray no iantombohan'izy roa nefa
manandrify halava samy hafa izy na manandrify halava mitovy amin'ny fomba
samy hafa dia mihamisavoritaka kokoa ny raharaha arak'ireto manaraka
ireto:
Amin'ny ankapobeny dia
raisina ho filaharana havia-miankavanana ny iriky ny fitranga ao amin'ny
lisi-tsampana, ny iriky ny fitrangan'ny `*' sy `+' ary `?' dia raisina
amin' izay-lava-indrindra-aloha, ny andiam-pononkevitra mifampisoboka dia
raisina avy amin'ny ivelany indrindra mankany anatiny, ary ny
tangoron-dravona miray rohy dia raisina miainga amin'ny havia indrindra. Ny
tandrify ho fidina dia izay mampiasa ny iri-pitranga aloha indrindra ao
amin'ny safidy voalohany izay voatery hatao. Raha toa ka misy safidy
mihoatra ny iray dia atao mitovy ny fomba fifidianana manaraka (izay
iri-pitranga aloha indrindra) mifandraika amin'ny fanapahan-kevitra momba
ny safidy voalohany. Dia toa izay hatrany.
Ohatra, ny `(ab|a)b*c' dia
mety hanandrify ny `abc' amin'ny fomba iray anatin'ny roa. Ny safidy
voalohany dia izay iray amin'ny between `ab' and `a'; noho i `ab'
mialoha sady mitarika tandrify faobe mahomby dia fidina izy. Noho i `b'
efa voaresaka, ny `b*' dia tsy maintsy manandrify ny iri-pitrangany
faranyilay tohivakana foanasatria tsy maintsy manaja ny safidy teo aloha
izy.
Amin'ny tranga miavaka
izay tsy misy `|' ary misy `*', `+', na `?' iray fotsiny, ny vokatra
misongadina dia ny fifidianana an'izay tandrify lava indrindra. Noho izany,
ny `ab*', aseho amin'ny `xabbbby', dia hanandrify ny `abbbb'. Marihina fa
raha andramana amin'ny `xabyabbbz' ny `ab*' dia hanandrify ny `ab' ao
aoriana am-pototry ny `x' noho ilay fitsipika
manomboka-amin'ny-aloha-indrindra. (Amin'ny fampiharana, ny
fahapahan-kevitra momba ny toerana hanombohana ny fanandrifiana no safidy
atao voalohany, koa tsy maintsy manaja an'io ny safidy misesy manaraka
rehetra na dia mitarika mankamina solon-tsafidy tsy tiana kokoa aza izany.)
Manamarin-Tsipelina
Ny fitaovam-tsipelina dia hanamarinana
ny tsipelina ao amin'ny rakitra iasanao. Afaka mifantina ny teny tianao
hampiasaina amin'ny fanamarinan-tsipelina ianao amin'ny alalan'ny sakafo ao
amin'ny fahi-drakibolana. Voatanisa ao amin'ny sakafon-drakibolana daholo
ny raki-teny ao amin'ny /usr/local/ind #)
Ahafahanao mampanjifa ny rakibolanao ny
bokotra `Ianarana' sy `Hadinoina' ao amin'ny fahi-drakibolana. Mitsofoka ao
anaty rakibolana ny teny ao anaty fahi-dahatsoratra ambanin'ny tandahatry
ny vinaniana amin'ny alalan'ny bokotra `Ianarana,' ary miala avy ao anaty
rakibolana amin'ny alalan'ny bokotra `Hadinoina.' Jereo eo ambany ny
fanoritsoritana ny rakitra ampiasaina hanjariana ny fanovan-drakibolana
ataonao.
Mizaha ny teny tsy hay manaraka ny
bokotra `Jerena Manaraka.' Raha mahita teny iray i Ted dia manandrana mizaha teny mitovitovy ao anaty rakibolana ary
maneho azy ireo eo amin'ny tandahatry ny vinavinaina. Ny fipihana teny ao
amin'ny tandahatry ny vinavinaina dia mampirina ilay teny ao anaty
fahi-dahatsoratra eo ambanin'ny tandahatra. Mampiasa ilay teny voavohitra
hitsarana ny teny ao anaty lahatsoratra ny fipihana azy indroa.
Tsy mijery ny teny tsy hay ny bokotra
`Tsijerena.' Tsy taterina ho teny tsy hay intsony ilay teny
mandra-panajanonana an'i Ted.
Mizaha ny teny tsy hay manaraka i Ted. Mizaha ny teny tsy hay manaraka ny bokotra `Mizaha Manaraka.'
Mampiasa ny teny ao anaty boaty eo ambany lisitra ny bokotra `Tsaraina' mba
hitsarana ny teny ao anaty lahatsoratra. Mijery teny mitovitovy amin'ny
teny ao anaty boaty eo ambanin'ny lisitra ny bokotra `Vinavinaina.'
Dindon'ny fitaovan-tsipelina ity ambany
ity.
Mitoby amina rafitra tampony
vakiteny-fotsiny ny rakibola-matoandrafitra. Ho an'ireo tia karokaroka
haitao: Ny dindon-tadina famoizan-tena efa farany kely no mahatadidy ny
teny rehetra ao anaty rakibolana. Be itovizana amin'ny tries-n'i Donald Knuth ny firafitr'angona.
Mitoby ao amin'ny tahiry <Language>.changes ao amin'ny lahatahirina
mpampiasa $HOME/.Dictionaries ny fihatahana amin'ny
rakibola-matoandrafitra. Isaky ny manindry ny bokotra `Ianarana' na
`Hadinoina' ny mpampiasa dia miampy andalana iray ny tahirim-panovana. `F'
na `L' (`H' na `I' amin'ny teny gasy: `Hadinoina' na `Ianarana') ny
endritsoratra voalohany amin'ny andalana, heba ny endritsoratra faharoa,
ilay teny na andianteny ho ampiana na ho esorina ny ambin'ny andalana.
Manan-danja be ny filaharan'ny andalana ao anaty tahiry satria tsy averina
alamina mihitsy ny tahiry. Ohatra, rehefa misy teny ampiana dia avy eo
esorina indray.
#)
Na any an-toeran-kafa.
Jereo ny fanovozana Ted.spellToolSystemDicts.
Rohibe sy tsoratadidy
Raha hanova fari-dahatsoratra ho rohibe
dia avohiro ilay lahatsoratra, fidio ny safidy `Rohibe..' eo amin'ny sakafo
`Manisika,' ary ampidiro ny toeran-kitodihan'ny rohy ao amin'ny diniky ny
'Rohibe..'. Azo ampiasaina amin'ny fanovana, fanesorana, ary
fanjohian-drohy koa ny dinika
'Rohibe..'.
Ampidiro ao amin'ny sehatry ny
`Rakitra' ny anaran-drakitra na pejy an-tranokala tianao hampirohizina.
Rehefa avelanao ho foana ny sehatry ny `Rakitra' dia mankao amina
tsoratadidy ao anaty rakitra ihany ny rohy.
Ampidiro ao amin'ny sehatry ny
`Tsoratadidy' ny anarana tsoratadidy. Mankao amin'ny rakitra amin'ny
maha-iraitsimivaky azy ny rohy rehefa avelanao ho foana ny sehatry ny
`Tsoratadidy.' Afaka misafidy tsoratadidy ao amin'ilay rakitra miseho eo
ianao raha tsy misy rakitra miseho ao amin'ny sehatry ny `Rakitra.' Raha ny
ara-dalana dia misy rohibe voavoatra avy amin'ny lahatsoratra izay efa
navohitrao ao anaty rakitrao. Misy rohy miavaka telo karazana azo
ampiasaina amin'ny rohy vaovao mankao amin'ny rakitra:
·
Rohy ho
Mari-Daha-Pejy. Miseho ho ny mari-daha-pejin'ny fiantombohan'ny tsoratadidy
ny rohy. Tena ilaina io indrindra amin' andianteny toy ny `Jereo ny
fanazavana ao amin'ny pejy 36. Mandeha ho azy ny fampifanarahan'i Ted ny mari-dahapejy rehefa mihetsika ny
tsoratadidy na miova ny fisehon'ny rakitra.
·
Rohy ho
Lahatsora-Tsoratadidy: Miseho ho ny lahatsoratry ny tsoratadidy ny rohy.
Tena ilaina io indrindra amin' andianteny toy ny "Hazavaina ao amin'ny
tsinjara Salan'isa-Maripanan-Taona io."
·
Rohy ho
Lahatsora-Tsoratadidy sy Mari-Dahapejy: Miseho ho lahatsoratry ny
tsoratadidy arahina kiheba sy mari-dahapejin'ny fiantombohan'ny tsoratadidy
ny rohy. Tena ilaina io indrindra rehefa te-hanorina fizahan-takila ianao.
Manova ny toeran-kitodihana rohibe misy na mamboatra rohy vaovao amin'ny
karazana tiana ny bokotra `Afantsona Rohy.'
Manjohy rohy ny bokotra `Zohina Rohy.'
Raha mankao amina toerana anatin'ny rakitra ihany io dia fantenan'i Ted ilay toerana. Raha mankany amina rakitra
anaty solosaina ihany io dia andraman'i Ted sokafana ilay rakitra. Raha toa io ka rohy an-tserasera dia
miantso an'i Netscape hanaraka ny rohy i Ted.
Manova rohibe hiverina ho lahatsoratra
tsotra ny bokotra `Manaisotra Rohy.'
Manaisotra ny sehatry ny rohibe teo
amin'ny felasivana ny bokotra `Manafoana' fa tsy manao na inona na inona.
Fanomezana anaran-toerana ao amin'ny
rakitrao ny tsoratadidy. Raha vao manana anarana ny toerana iray dia afaka
mitsambikina mankany ianao amin'ny alalana rohibe na afaka manondro azy
an-kolaka ao amin'ny rakitra. Ohatra, azonao atao ny manondro lahatsoratra
ao anatina tsoratadidy na ny mari-dahatry ny pejy voatonta itrangan'ny
tsoratadidy. Fidio ny safidy 'Tsoratadidy..' eo amin'ny sakafo `Manisika'
raha hanisika na hisafo tsoratadidy. Mipoitra ny diniky ny `Tsoratadidy.'
Ampidiro eo amin'ny diniky ny
`Tsoratadidy' ny anaran'ny tsoratadidy raha hanampy tsoratadidy.
Manolotra anarana ho an'ny tsoratadidy
i Ted arakaraky atin'ny
velarana mivohitra ao anaty rakitra. Tsindrio ny bokotra `Afantsona
Tsoratadidy' raha hanao tsoratadidy vaovao na hanova ny anaran-tsoratadidy
misy. Tsindrio ny bokotra `Manaisotra Tsoratadidy' raha hanaisotra
tsoratadidy misy. Tendreo ao amin'ny sehatry ny `Tsoratadidy' ny
anaran'ilay tsoratadidy raha hitsambikina mankany, ary tsindrio ny bokotra
`Mandeha Mankany Tsoratadidy'. Azo atao ny mifantina anaran-tsoratadidy eo
amin'ny lisitry ny tsoratadidy eo ambany fahi-dahatsoratra toa izay
mitendry ny anarany.
Ampiasao ny fahitry ny `Mandika
Tsoratadidy' raha handika tondroraki-tsoratadidy mankao amin'ny
hela-tsilaka. Tsindrio ny bokotra `Mandika' raha handika ny tsoratadidy
mankao amin'ny hela-tsilaka. Manisika rohibe manondro ny tsoratadidy ny
fametahana ny hela-tsilaka amina toeran-kafa ao anaty rakitra na amina
rakitra hafa. Misy rafiatra efatra samy hafa ahafahana mandika ny
tsoratadidy:
·
Toa rohibe
manana lahatsoratra tsimiova.
·
Toa
fanondro ny tsoratadidy izay aseho toy ny mari-daha-pejiny
·
Toa
fanondro ny tsoratadidy izay mandika ny lahatsora-tsoratadidy ankitrio
isaky ny atonta izy.
·
Toa
fanondro nadika amin'ny tsoratadidy izay mandika ny lahatsoratra sy izay
maneho ny mari-daha-pejy, sarahana kiheba. Azo ampiasaina hanaovana
fizahan-takila tsortra io.
Misy dikany ireo karazan-drohibe telo
farany ireo rehefa ao anaty rakitra iray izay tsoratadidy tondroiny izy,
ary amin'izay ihany.
Mahaliana tokoa ny rohibe sy toratadidy
rehefa tahirizina ho HTML ny lahatsoratra, sy noho izy fomba tsotra
fanaovana fizahan-takila.
Andininy sy ny fanipika
Ny andininy dia singan-dahatsoratra
miforitra eo anelanelan'ny sisim-pejy. Misy tsipi-bikina mazava soritra
manasaraka andininy. Rehefa voatonta ny lahatsoratra dia azo atao ny
mampanomboka andininy eo amina pejy vao amin'ny alalan'ny fifantin-tsakafo `Andininy amina Pejy Vao.'
Raha ny mahazatra, ny fizarana rakitra ho silaka manomboka amina pejy vao
dia tanterahina amin'ny fizarana ny takitra ho tsinjara fa tsy amin'ny
fanoritana mazava ny fampanombohana andininy amin'ny pejy vao ho toetra
mampiaka an'ilay andininy.
Manana fanipika ny andininy tsirairay
ao amina lahatsoratra. Ny fanipika dia mamepetra ny fomba fiforitry ny
andininy eo anelanelan'ny sisin'ilay pejy, na ny sisin'ny efi-takilajoro
izay miaty azy. Miseho eo ambony hoakan-dahatsoratra ny fanipika. Mamaritra
ny toetra sasany mampiavaka andininy izy.
·
Ny
kinifinify havian'ny andalana voalohan'ny andininy: Ny toerana eo
havanan'ny sisim-pejy havia izay hanombohan'ny andalana voalohan'ny
andininy. Asehon'ilay bokotra eo ambonin'ny vanditra fotsin'ny fanipika ny
fikinifinifin'ny andalana voalohany.
·
Ny
kinifinifin'ny ambin'ny andininy: ny toerana eo amin'ny havananan'ny
sisim-pejy havia izay anombohan'ny andalan'andininy sasany. Asehon'ilay
bokotra eo ambanin'ny vanditra fotsin'ny fanipika ny fikinifinifin'ny
andininy.
·
Ny
kinifinify havanan'ny andininy: Ny sakan'ny vanditra eo amin'ny havian'ny
sisiny havanan'ilay pejy izay tsy azon'ilay andininy ampiasaina mihitsy.
Asehon'ilay bokotra eo ambanin'ny vanditra fotsin'ny fanipika ny
fikinifinifin'ny andininy.
·
Fifanjohian-janon-kiheba:
Miseho toa fononteny mahitsizoro kely ao anatin'ilay vanditra fotsin'ny
fanipika ny janon-kiheba. Rehefa tsy misy janon-kiheba, na rehefa tsy misy
havanana ny janon-kiheba havanana indrindra dia mampiasa janon-kiheba
voahitsy havia avy amin'ny henenin'antsasak'intsa avy eo amin'ny sisiny
havia i Ted. Fomba tsara kokoa
handrafetan-dahatsoratra ho tsangana ny takelajoro noho ny janon-kiheba
amin'ny tranga maro.
Ny toeran'ny kinifinify sy kiheba samy
hafa dia azo ovaina amin'ny fisarihana ny gejam-panipika izay maneho azy.
Azo afantsona amin'ny fipihana
eo amin'ny vanditra fotsin'ny fanipika ny janon-kiheba. Azo esorina ny
janon-kiheba amin'ny fisarihana azy avy teo amin'ny vanditra fotsy. Ilay
bokotra kely eo amin'ny ambony havian'ny fanipika dia mamepetra ny
karazan-janon-kiheba asisika rehefa pendenao ao anaty vanditra fotsin'ny
fanipika:
Manisika
janon-kiheba havia: Mihitsy havia mifanitsy amin'ny janon-kiheba ny
lahatsoratra eo afaran'ny janon-kiheba.
Manisika
janon-kiheba havanana: Mihitsy havanana mifanitsy amin'ny janon-kiheba ny
lahatsoratra eo afaran'ny janon-kiheba. Mipoitra eo alohan'ny janon-kiheba
ny lahatsoratra vokatr'izay.
Mampiditra
janon-kiheba miivo: Miivo manodidina ny janon-kiheba ny lahatsoratra eo
afaran'ny janon-kiheba. Tena eo afovoan'ny lahatsoratra tsara aorian'ny
fandrafetana.
Amin'ny tranga maro dia mora kokoa ny
mampiasa fanitsian-takelajoro sy andininy ao anaty efi-takelajoro noho ny
mampiasa janon-kiheba raha hanitsy lahatsoratra ho tsanganana.
Azo itadidiana fanipika ny fifanti-tsakafo `Mandika Fanipika'. Mitadidy
ny fanipik'andininy misy toeram-panisifana anaty lahatsoratra izy. Raha
misy fari-dahatsoratra mivohitra dia tadidiny ny fanipik'andininy izay
iantombohan'ilay faritra mivohitra. Azo ampiharina amin'andininy hafa ny
fanipika tadidy. Manafantsona ny fanipika tadidy ho amin'ilay andininy misy
toeram-panisifana ny fifantin-tsakafo `Mametaka Fanipika'. Raha misy
fari-dahatsoratra mivohitra dia mifantsona amin'ny andininy rehetra misy
silak'ilay faritra mivohitra ny fanipika tadidy.
Ampiasao ny fifantina `Manao Andininy
Iray' raha hamihina ny andininy ao amin'ny faritra mivohitra ho andininy
iray. Tena ilaina tokoa io any anaty rakitra izay miala avy amina tahiry
vokatra amin'ny mpandrary lahatsoratra toy ny vi.
Mahazaka toetra mampiava-pandrafetana
amboniny fanampiny sasany i Ted.
Mamela anao hanova ny toetra mampiavak'andininy ny geja eo amin'ny pejin'ny
`Andininy' amin'ny'fitaovana `Rafitra'. Mariho fa na dia miendrika teboka
aza ny ny habe rehetra dia azonao atao ny maniditra habe amina venty hafa.
Mivadika ho teboka ny habe rehefa tsindrinao ny fanendry `Maniditra'.
Oha-pandravahana andininy sy ny fanipiny ity manaraka ity.
Raha hanova an-tanana ny toetra
mampiavaka ny andininy ankitrio dia ampiasao ny pejin' Andininy amin'ny
Fitaovana Rakitra.
Toetra mampiavak'andininy ao amin'ny pejin'ny Andininy amin'ny
Fitaovana Rakitra.
|
Kinifinify havian'ny andalana voalohany
|
Dia ny zeva misy ny litera voalohan'ny
andalana voalohan'ny andininy avy eo amin'ny sisiny havian'ny pejy (na ny
efi-takelajoro).
|
|
Kinifinify havia
|
Dia ny zevan'ny litera voalohan'ny
andalana faharoa sy ny sisa manaraka ao anaty andininy avy ao amin'ny
sisiny havian'ny pejy (na ny efi-takelajoro).
|
|
Kinifinify havanana
|
Dia ny zevan'ny litera faran'ny
andalana ao amin'ny andininy avy eo amin'ny sisiny havanan'ny pejy (na ny
efi-takelajoro).
|
|
Fanitsiana
|
Mamepetra ny fihitsin'ny atin'ny
andalan'ny andininy raha ampifandraisina amin'ny pejy na efi-takelajoro
miaty lahatsoratra.
|
|
Heba
|
Raha ny ara-dalana, ny zeva eo
ankebaheban'ny andalana ao amina andininy dia voafepetry ny endritsoratra
lehibe indrindra na ny dindon'andalana anatin'ilay andininy. Mamela anao
hanana fiantraka amin'ny zevan'andalana ny sakafo `Heba'. Tsy mbola
zakan'ny fitaovam-pandrafetan'ny Ted 2.10 ny fahafaha-mampihatra ny heban'andalana amin'ny andalana
faran'ny andininy.
|
|
Heba Ambony
|
Ahafahanao manome ny haavon'ny
tsoripika fotsin'ny taratasy mitataho ny andalana voalohan'ny andininy.
|
|
Heba Ambany
|
Ahafahanao manome ny haavon'ny
tsoripika fotsin'ny taratasy mitaty ny andalana faran'ny andininy.
|
|
Morona Andoha
|
Manana morona andoha ny andininy rehefa
mandeha. Azonao aiditra anatin'ny fahi-dahatsoratra eo ankavanan'ny
boko-tsavily ny sakan'ny morona. Teboka 3.75 ny farany ambony (1.2 mm eo ho
eo). Morona mainty matevina ihany no zakan'i Ted na dia mahazaka endri-morona maro samy hafa aza ny
tahirin-drafitra RTF.
|
|
Morona Antongotra
|
Manana morona antongotra ny andininy
rehefa mandeha. Azonao aiditra anatin'ny fefin-dahatsoratra eo ankavanan'ny
boko-tsavily ny sakan'ny morona. Teboka 3.75 ny farany ambony (1.2 mm eo ho
eo). Morona mainty matevina ihany no zakan'i Ted na dia mahazaka endri-morona maro samy hafa aza ny
tahirin-drafitra RTF.
|
|
Manomboka Amina Pejy Vao
|
Tombohy ity fahitra ity raha
hampandingana an'i Ted
mankamina pejy vao rehefa mandrafitra an'ity andininy ity izy. Tsy mihatra
amin' andininy anaty takelajoro ity toetra mampiavaka ity.
|
|
Tazonina Anaty Pejy Iray
|
Aza zaraina eo anivom-pejy maro ity
andininy ity raha tsy rehefa misy firam-pejy voasoritra mazava ihany.
Rehefa lava noho ny pejy ny andininy dia tsy jerena ity toetra mampiavaka
ity.
|
|
Gejan'ny Mananotena/Kamboty
|
Rehefa zaraina eo anivom-pejy maro ity
andininy ity dia miray pejy ny andalana voalohany sy faharoan'ilay
andininy. Mihatra amin'ny andalana roa faran'ny andininy koa io.
|
|
Ampombaina amin'ny Manaraka
|
Zaraina eo anivom-pejy maro ny
lahatsoratra ka amin'izany dia mipoitra eo amin'ny pejy ipoiran'ny manaraka
ity andininy ity. Io dia noho izy lohatenin'ny andininy manaraka, karazana
miavaka iray.
|
Takelajoro
Fidio ny `Manisika Takelajoro' ao
amin'ny sakafo `Manisika' raha hanisika takelajoro ao anaty rakitra. Fomba
fandrafetana mijotso ny takelajoro. Tsy voatonta ny
moron'efitrefi-takelajoro. Miseho ny moron'efitrefitra volondavenona tanora
mba hahitana maso ny rafi-takelajoro. Ampiasao ny safidin-tsakafo `Maneho
Karakaran-Takelajoro' mba hanafenana azy raha manorisory anao ireny.
Ampiasao ny fitaovan-takelajoro raha hanampy moron-tsivalana sy tsanganana
amina takelajoro.
Manana fanipika voatokana ahafahanao
manisaka ny moron-takelajoro amin'ny fisarihana azy miankavia sy
miankavanana ny hoakan-drakitra raha ao anaty takelajoro ny mivohitra.
Maneho ny tohatoha-jotr'io ity fandravahana eto ambany ity.
Ny fitaovan-fandrafetam-pejy ho takelajoro dia
ahafahanao manao zavatra sarotra kokoa amin'ny fandrafetan-takelajoro, toy
ny fametrahana efitrefitra anaty moron-takelajoro sy fanovana ny morona
anatin'ny efitrefitra. Io koa dia ahafahanao manaisotra tsivalana na
tsanganana, manisika tsivalana na tsanganana alohan'ny fampivohirana. Io
dia miavaka amin'ny safidin-tsakafo izay aorian'ny fampivohirana ihany no
mamela anao manampy an'ireo. Ireto ambany ireto ny
fitaovam-pandrafetam-pejy ho takelajoro sy fanazavana ny azo atao aminy.
Mariho fa, na dia teboka aza no anehoana ny habe rehetra dia afaka
mampiditra habe amina venty samy hafa ianao. Manjary teboka ny habe rehefa
tsindrinao ny fanendry `Maniditra.'
|
Sisiny Havia
|
Dia ny zeva misy ny sisin-takelajoro
havia avy eo amin'ny sisim-pejy havia. Ny sanda miiba dia midika fa ny
morona havin'ny takelajoro dia eo ankavian'ny sisiny havian'ny sisim-pejy.
Raha iban'ny sandan'ny `Sisin'Efitrefitra' io sanda io dia mifanitsy ny sisiny havian'ny lahatsoratra ao
anaty sy ivelan'ny takelajoro.
|
|
Sisin'Efitrefitra
|
Dia ny zeva misy ny lahatsoratra avy eo
amin'ny sisiny havia na havanan'ny efitrefi-takelajoro.
|
|
Morona Andoha
|
Manana morona andoha ny tsivalana
rehefa mandeha. Azonao aiditra anaty fahi-dahatsoratra eo ankavanan'ny
boko-tsavily ny sakan'ny morona. Teboka 3.75 ny farany ambony (1.25 mm eo
ho eo).
|
|
Morona Antongotra
|
Manana morona antongotra ny tsivalana
rehefa mandeha. Azonao aiditra anaty fahi-dahatsoratra eo ankavanan'ny
boko-tsavily ny sakan'ny morona. Teboka 3.75 ny farany ambony (1.25 mm eo
ho eo).
|
|
Tazonina Anaty Pejy Iray
|
Rehefa mandeha ny savily Tazonina Anaty Pejy Iray dia tsy mizara eo
anivom-pejy maro ny tsivalana rehefa atonta ny rakitra. Raha tsy omby ho
iray tsy misilaka eo amin'ny pejy anombohany izy dia mikisaka mankao
amin'ny pejy manaraka
|
|
Haavo Mahaleo
|
Ny haavon'ny efitrefitra avo indrindra
no haavon'ny tsivalana.
|
|
Haavo Farafahakely
|
Ny tarehimarika ao anaty
filatron--dahatsoratra no haavon'ny tsivalana farafahakeliny.
Ampifanarahana ny haavon'efitrefi-tsivalana izay mihoatra.
|
|
Haavo Katsa
|
Ny haavo ao anaty filatron-dahatsoratra
no haavon'ny tsivalana na dia tsy omby aza ny atin'efitrefitra.
|
|
Saka (Tsangana)
|
Dia ny sakan'ny tsangana mivohitra.
Manandrana manakana anao tsy hanova ny sakan-tsangana ho sanda mahatonga ny
takelajoro ho lehibe noho ny pejy ny fitaovan-takelajoro.
|
|
Morona Havia
|
Manana morona havia ny tsangana rehefa
mandeha. Azonao aiditra anaty fahi-dahatsoratra eo ankavanan'ny
boko-tsavily ny sakan'ny morona. Teboka 3.75 ny farany ambony (1.25 mm eo
ho eo).
|
|
Morona Havanana
|
Manana morona ny tsangana rehefa
mandeha. Azonao aiditra anaty fahi-dahatsoratra eo ankavanan'ny
boko-tsavily ny sakan'ny morona. Teboka 3.75 ny farany ambony (1.25 mm eo
ho eo).
|
Na dia mahazaka karaza-morona maro hafa
aza i Ted dia mitsitokantokana
no fampiasany sy fikirakirany ny moron' efitrefitra. Afaka manana saka, na
inona na inona, ary karazana samy hafa ny morona ao anaty firafitra RTF.
Morona mainty mavesatra ihany no zakan'i Ted. Manova ny moron'efitrefitry ny tsivalana na tsangana ny
lahasan-kirakira anaty tsivalana na tsangana.
Tsinjara
Azo zaraina ho tsinjara ny rakitra lava
kokoa. Azo oharina amin'ny fizarana anaty boky ny tsinjara. Raha ara-dahasa
mijotso dia manomboka amina pejy vao i Ted rehefa atonta ny rakitra. Afa- miendrika samy hafa ny
famarihan-daharam-pejy sy lohapejy ary tongopejin'ny tsinjara samy hafa.
Afa-manana fiseho samy hafa mihitsy aza ny tsinjara samy hafa. Ampiasao ny
helaka `Andoha sy Antongotra' eo amin'ny fitaovam-pandrafetana raha hanova
ny andohapejy sy antongopejin-tsinjara. Ampiasao ny helaka `Fiseho Pejy' eo
amin'ny fitaovam-pandrafetana raha hanova ny fisehon-tsinjara.
Toetra
mampiava-tsinjara eo amin'ny helaka `Tsinjara' ao amin'ny `Fitaovana
Rafitra'
|
Manomboka
|
Manambara amin'i Ted ny toerana hanombohan-tsinjara. Ny fanombohana mijotson'ny
tsinjara vaovao amina pejy vao. Ireto no mety mitranga:
·
Ambanin'ny eo Aloha: Tsy
mampanomboka pejy vao an'i Ted
ny fiampitana avy ao amin'ny tsinjara eo aloha mankamin'ity tsinjara ity.
·
Anaty Tsanganana Manaraka:
Rehefa manana tsangana miendri-gazety ny tsinjara dia manomboka tsangana
vaovao ho an'ilay tsinjara ny mpandrafitra. Manomboka amim-pejy vao i Ted noho izy tsy manatanteraka tsinjara maro
tsangana.
·
Ao Pejy Vao: Manomboka ny
tsinjara eo amina pejy vao i Ted.
·
Ao Pejy Ankasa: Manomboka
ny tsinjara ao amina pejy mimari-daharana ankasa i Ted. Misy pejy foana misisika raha manana mari-daharana tsiankasa ny
pejy manaraka.
·
Ao Pejy Tsiankasa:
Manomboka ny tsinjara ao amina pejy mimari-daharana tsiankasa i Ted. Misy pejy foana misisika raha manana
mari-daharana ankasa ny pejy manaraka.
|
|
Karaza-Maridaharam-Pejy
|
Ny karaza-mari-daharana ampiasaina ao andoha sy
antongotry ny pejy ananan'ity tsinjara ity. Ny mari-daharana mitovy
karazana dia mikasika ny pejy amin'ity tsinjara ity.
|
|
Manomboka Amin'ny Pejy
|
Mimari-daharana manomboka amin'ny iray ny
pejin-drakitra raha ny ara-dalana. Ahafahanao manome mari-daharam-pejy
manokana ho an'ny tsinjara ny savily `Manomboka Amin'ny Pejy' . Ahafahanao
manome ny mari-daharan'ny pejy voalohan'ny tsinjara mihitsy aza ny
fahi-dahatsoratra eo ankavanana.
|
|
Tsanganana
|
Isan'ny tsanganana miendri-gazety izay ampiasaina
handrafetana an'ity tsinjara ity. Tsy manatanteraka tsanganana
miendri-gazety i Ted 2.10.
|
|
Heba Tsanganana
|
Heba manelanelana ny tsanganana miendri-gazety
ampiasaina handrafetana an'ity tsinjara ity. Tsy manatanteraka tsanganana
miendri-gazety i Ted 2.10.
|
|
Saka Tsanganana
|
Sakan-tsanganana miendri-gazety ampiasaina handrafetana
an'ity tsinjara ity. Tsy manatanteraka tsanganana miendri-gazety i Ted 2.10.
|
Manana lohapejy sy tongopejy azy
manokana ny tsinjara tsirairain'ny rakitra. Atonta eo amin'ny sisiny andoha
sy antongotry ny pejy ny lohapejy sy tongopejy. Fehezin'ny
pejim-pitaovam-pandrafetana `Fiseho Pejy' amin'ny fomba entitra ny
fitoerany. Tsindrio ny iray amin'ny bokotra `Rarina Lohapejy' na `Rarina
Tongopejy' eo amin'ny tapenaka `Lohapejy sy Tongopejy' anaty
fitaovam-pandrafetana.
Misy singa roa mamepetra ny
karazan-dohapejy sy tongopejy mifandraika amin'ny tsinjara: Na mampiasa
lohapejy sy tongopejy hafa eo amin'ny pejy voalohan'ny tsinjara ny rakitra
na tsia, na mampiasa lohapejy sy tongopejy samy hafa amin'ny pejy ankasa sy
tsiankasa ny rakitra na tsia.
Safidio eo amin'ny karazam-pejy tianao
hiakoana, dia tsindrio ny bokotra `Mandrary Lohapejy/Tongopejy' na
`Manaisotra Lohapejy/Tongopejy' raha handrary na hanaisotra lohapejy na
tongopejy. Voavoatra ny lohapejy na tongopejy rehefa tsindrina ny bokoatra
`Mandray Lohapejy/Tongopejy' raha sendra tsy misy ny karazam-pejy sasany.
Mila manana pejy telo farafahakeliny ny tsinjara iray vao mahazo ny
karazam-pejy mifandraika (Voalohany, Ankasa, Tsiankasa). Eo am-pandrariana
lohapejy sy tongopejy efa ao dia tsy azo atao ny mandrary lohapejy sy
tongopejy ho ana pejy izay tsy ananan'ny tsinjara. Izany dia midika fa mety
mila manisika firam-pejy tsy raikitra ao anaty lahatsoratra ianao mba
hahatonga ny lohapejy na tongopejy miavaka ho takatra.
Raha ny ara-dalana, tsy takatra amin'ny
fipihana totozy na fanendry tondro ny oohapejy sy tongopejy. Piho indroa eo
amin'ny lohapejy na tongopejy raha hanomboka handrary lohapejy na
tongopejy. Piho eo amin'ny toerana iray anaty vatan-dahatsoratra raha
hiverina ho ao amin'ny vatan-dahatsoratra.
Ampiasao ny safidin-tsakafo `Manisika
Mari-Daharam-Pejy' raha hanisika mari-daharam-pejy. Ao amin'ny lohapejy sy
tongopejy ihany no azo anisihan-dohapejy sy tongopejy.
Habem-pejy sy Sisina
Ny vovon-kevitra mifandraika aminy no
mamepetra ny haben'ny pejy sy ny sisin-drakitra vao araky ny noresahina ao
amin'ny andininy momba ny vovon-kevitra azo ampiendrehina. Ny habem-pejy,
ny fitodi-pejy ary ny sisin-drakitra dia azo ovaina amin'ny tapenaka
`Fiseho Pejy' anaty fitaovam-pandrafetana. Azafady mankanesa ao amin'ny
drafi-pehezantenin'ny vovon-kevitra ho an'ny fandrafetan-tsanda izay azo
aiditra anaty filiron-dahatsoratra. Ny fanindriana ny fanendry `Maniditra'
anaty filatron-dahatsoratra dia manavao ny kisarisary eo amin'ny fitaovana
`Fiseho Pejy' mba hahatsapanao ny fisehon'izay navohitrao. Manajary
fahalalana momba ny fisehon'ny pejy ao amin'ny toerana roa ny firafi-tahiry
RTF: Ho an'ny rakitra iray manontolo sy ho an'ny tsinjara mitokatokanan'ny
rakitra. Fanovana ny fisehom-pejin-tsinjara mivoitra ao anaty rakitra ihany
no avelan'i Ted ovaina na dia
mety ho ilaina tokoa aza ny fisehom-pejy hafa ho ana tsinjara hafa ao anaty
rakitra. Maneho ny tapenaky ny fisehom-pejy ity fandravahana eto ambany
ity.
Fanteno ny safidy `Atonta...' eo
amin'ny sakafo `Tahiry'. Mipoitra ny hoakan-dinikyny fanontana. Miaty
sakafo misy ny mpanonta ao anaty solosaina ka azo ampiasaina ny
hoakan-dinikyny fanontana. Ankoatry ny mpanonta, ny sakafo dia misy safidy
hanontana avy amina tahiry. Raha efa nampiendrika baiko ho an'ny tahadika
ao amin'ny fanovozam-pampiharana ianao dia hiaty safidy tahadika lavitra
koa ny sakafo. Ny fiantsoana ny baiko mpandrindran'ny vorindrafitra
mpanodina ny mpanonta no mamepetra ny lisitry ny mpanonta. Andramana ireto
baiko manaraka ireto:
·
lpstat -a
·
lpc status
·
/usr/sbin/lpc status
Marihina fa ny ParaSora ihany no
atontan'i Ted. Tokony hahazaka
ny endritsoratra rehetra ampiasain'i Ted amina rakitra miavaka ny mpanonta. Mankanesa ao amin'ny tsinjara
momba ny torolalana amin'ny fampiakarana endritsoratra amboniny ho an'ny
parasoran'ny mpanonta. Afaka mampiasa ny fonosam-pikitihana parasora
lafatra GhostScript ireo izay tsy manana mpanonta miparasora. Azo alaina
avy ao amin'ny ftp.cs.wisc.edu ao amin'ny lahatahiry
ghost io. Manolotra fikitiham-parasora tsara ho ana
mpanota maro karazana ny GhostScript Aladdin sy Ghostscript GNU. Eo
anilan'izany dia azo ampiasaina ho solon'ny mpandio Acrobat io mba
hamadihana ny tahiry Parasora hirafitra PDF. Mankanesa ao amin'ny
firaketana GhostScript misy torolalana momba ny fanampiana endritsoratra ho
an'i GhostScript.
Rehefa efa nampiendrehana ihany ny
baiko tahadika vao mandeha ny filatron-dahatsoratra fampidirana
mari-daharan-tahadika, toy ny safidy Tahadika ao amin'ny
sakafom-pifantenana mpanonta. Rehefa voafintina ho mpanonta ihany ny
tahadika vao azonao ampidirana mari-daharan-tahadika ao anatiny. Tsy
mandeha io ho an'ny mpanonta hafa rehetra. Maneho hoakan-dini-panontana
misy safidy samy hafa ny fandravahana eo ambany. Am-pijotsoana dia manonta
pejy iray isa-takilan-taratasy i Ted. Amin'io dia tetehina mivany ny mivoaka mba ho tafiditra anaty
takila. Raha ny ara-dalana dia atontan'i Ted daholo ny pejy rehetra anaty rakitra. Azo ferana amina laha-pejy
ny fanontana amin'ny alalan'ny sakafo eo antongotry ny hoakan-dinika
`Atonta...'.
Mampiasa ny vovo
Ted.taratasy i Ted rehefa manapa-kevitra amin'ny haben'ny taratasy ao anaty
mpanonta. Ampiasaina amin'ny fameperana ny haben'ny pejin-draki-bao koa io
vovo io. Ny Parasora izay alefa mankao amin'ny mpanonta no maminavina io
haben-taratasy io. Azonao atao ny mifantina haben-taratasy hafa rehefa
sendra manana haben-taratasy hafa ianao. Marihina fa amin'ny fametrahana ny
lahatsoratra voarafitra eo amin'ny pejy ihany no miako ny haben-taratasy
fantenina ao amin'ny hoakan-dini-panontana fa tsy amin'ny fandrafetana ny
voka-panontana mivoaka. Ampiasao ny fitaovam-pisehoam-pejy raha
handrafi-drakitra ho ana taratasy hafa habe.
Mahazaka andalam-baiko fiantsoana roa i Ted hamadihana rakitra RTF ho Parasora avy eo amin'ny andalam-baiko. Ny Ted ++PrintToFile this.rtf that.ps dia manao tahiry Parasora mampiasa firafi-taratasy mijotso. Ny Ted ++printToFilePaper this.rtf that.ps letter
dia manao tahiry Parasora ho
ana mpanonta misy taratasy fanoratan-`taratasy'. Mankanesa ao amin'ny
fandraketam-panovozana Ted.taratasy
raha mila lisitry ny rafi-taratasy azo atao. Mbola ilaina ihany ny tontolo
X11 na dia tsy ampiasaina amin'ireo antso ireo aza izy. Kileman'i Ted efa fantatra io.
Asian'i Ted ny antsoina hoe pdfmarks ao amin'ny parasora soratany. Ahafahan'ny mpandio Adobe Acrobat
na GhostScript mamboatra tahiry izay miaty rohibe sy tsoratadidy mitovy
amin'ny matoan-tahiry RTF io. Ity manaraka ity ny baiko GhostScript
mamadika tahirim-parasora ho PDF:
gs -q
-dNOPAUSE -sDEVICE=pdfwrite -sPAPERSIZE=a4 \ -sOutputFile=that.pdf this.ps
-c quit
Azonao ampanamboarana tahiry ambony
kalitao Acrobat PDF avy amin'ny tahirinao RTF i Ted miaraka amin'ny GhostScript, na dia amin'ny endrika sora-tanana
aza. Mankanesa ao amin'ny soratra rtf2pdf.sh script ao an-tananan'i Ted ftp raha mila ohatra feno.
Angamba manana mpanonta azo
ampanjifaina ianao na mampiasa baiko voatokana hanontana amina mpanonta
Parasora. Afaka manonta ami-mpanonta ampanjifaina ianao raha mametraka vovo roa ao anaty tahirim-pitovozana: Ny vovo Ted.customPrintCommand no baikom-panontana
mankamin'ny mpanonta ampanjifaina. Ted.customPrinterName no anaran'ilay mpanonta ampanjifaina. Manisika safidy amboniny iray ao anaty sakafom-pifantenana
mpanonta i Ted mba hanontana
avy amin'ilay baiko rehefa voapetraka ireo vovo roa ireo. Ataon'i Ted ho mpanonta mijotso ny baikom-panotana
ampanjifaina noho izy io zavatra voatokana. Ny sandan'ny customPrinterName no fisesy fohy ampiasaina ao amin'ny sakafo mba
hifantenana ny mpanonta ampanjifaina. Ny sandan'ny customPrintCommand dia akoram-baiko jadona
hanontana amin'ny mpanonta ampanjifaina. Rehefa miaty lasitra %f ny customPrintCommand dia misolo an'ilay
lasitra ny anaran-tahiry tselika hanontana. Raha tsy izany dia misesika
mankao amin'ny baikom-panontana ampanjifaina ny ParaSora. Anjara
andraikitry ny customPrintCommand ny famafana ny tahiry tselika rehefa mampiasa ny %f ao amin'ny customPrintCommand ianao.
Ohatra: Ireto fipetraham-pitovozana ao
amin'ny tahiry .Xdefaults na .Xresources ireto dia mampiasa ny ghostview ho mpitsiriky ny mpanonta:
Ted.customPrintCommand:
( ghostview '%f'; rm '%f' ) &
Ted.customPrinterName: Preview
Fampiasana an'i Ted miaraka amin'ny fonosana Martin Vermeers FaxView ny ova
manodidina an'ny APP_FAX_TO. Rehefa omena ny baikon-tahadikan'i Ted ka mandeha ny APP_FAX_TO dia fantenan'i Ted ho mpanonta mijotso ny tahadika ary
ampidiriny anaty fahi-dahatsoratry ny mari-daharan-tahadika ny sanda.
Azo atao ny mitahiry rakitra ho rafitra
HTML. Satria tsy afa-mamaky HTML i Ted dia voatery atao amin'ny safidin-tsakafo `Tahirizina Amin'ny'
izany. Raha miaty sary miteboka ny rakitra tahirizina ao amin'ny tahiry
something.html dia ao anaty tahiry something.img izay tahirin-tsary no
itahirizana an'ireo sary. Ny sary misy loko vitsy dia tahirizina ao amin'ny
tahiry gif. Ny sary misy loko maro dia tahirizina ho tahiry JPEG miaraka
amin'ny fihitarana .jpg. Tena jadona ny anaran'ny tahirin-tsary ao amin'ny
something.img, fa manandrana mitazona an'ireo ary mampiasa anarana mitovy
ho ana sary iray i Ted isaky ny
mitahiry an'ilay rakitra ho HTML.
Satria maro ny tsy itovizan'ny RTF SY
HTML na eo amin'ny fomba fandrafetan-drakitra na eo amin'ny
fahafaha-mandrafitra dia voatery nitady fampifanarahana teo anelanelan'ny
famoahana HTML izay manja arak'izay azo natao sy HTML izay mitovy endrika
amin'ilay matoan-drakitra RTF arak'izay azo natao aho. Naneho fifangarihana
mpizaha be loatra ny sedra natao tamina takilam-pomba fizaha, hany ka
nanapa-kevitra fa ho atao tanana ny fampitovizana noho ny hakiviana
aman-kasorenako amin'ny lafiny iray. Mampiasa fitrandrahana
mitohan-kevitra sasany sy kirambon'<ENDRITSORATRA> aho. Fantatro fa
fahazaran-dratsy io, saingy tsy nahita fandiasina azo niriranana aho. Raha
mamaky an'ity rakitra ity amin'ny rafitra HTML ianao dia afaka
manapa-kevitra ho an'ny tenanao na ratsy tarehy na tsia ny vokany.
Ny rohibe dia avadika ho <A HREF=
"something" >. Ny tsoratadidy dia avadika ho <A NAME=
"something">.
Mamadi-drakitra mirafitra RTF ho HTML
sy andalam-baikon'antso ny baiko Ted ++saveTo this.rtf that.html. Tsy ampiasaina
amin'io karazan'antso ny tontolo. Midika izany fa ny sanda mijotson'ny vovo azo ampiendrehana no ampiasaina fa tsy
ny fampandefasana manokana anananao. Kileman'i Ted efa fantatra io.
Ahafahanao mitahiry rakitra ho
lahatsoratra tsotra ny safidin-tsakafo `Tahirizina Ho' sy `Tahirizina
Amin'ny'. Manana fomba roa fitahirizan-drakitra ho lahatsoratra tsotra i Ted. Ny voalohany dia mamoritra ny
lahatsoratra anaty andininy amin'ny fomba hafa kely, hany ka azo ampisaina
mora foana miaraka amina mpandrary lahatsoratra tsotra mibika
endritsora-pamaranana toy ny vi
sy emacs. Ny faharoa dia
mitahiry andininy ho andalan-tokan-dahatsoratra tsotra. Tena tsy manamora
asa amin'ny mpandrary lahatsoratra io, ary voatazona koa ny matoan-drakitra
etsy an-kilany.
Azonao alefa mivantana avy amin'i
Ted ny lahatsoratra tendrenao. Fidio ny `Hafatra...'
ao amin'ny sakafo `Tahiry'. Mitranga ity hoakan-dinika manaraka ity.
Mampidira lohahevitra sy ny mpandray
maro karazana eo amin'ny seha-dahatsoratra *). Ampidiro eo amin'ny
seha-dahatsoratra `Avy amin'i' ny adiresin-kafatrao, na mankanesa ao
amin'ny andininy momba ny fahitana fomba fametrahan-tsanda mijotso ho an'ny
`Avy amin'i'. Rehefa misinton-kafatra amin'ny alalan'ny mpandroso
an-tserasera ianao dia ny adiresin-kafatrao no ampidirinao eto fa tsy ny adiresy ananao ao anaty solosainao.
Fidio ny karazan'atin-kafatra. Ataovy an-tsaina fa mpampiasa Microsoft sy
ny olona manana Ted anaty
miliny ihany ho afa-mamaky hafatra mirafitra HTML. Koa raha tsy fantatrao
ny mpandray hafatra dia ny mandefa hafatra amin'ny lahatsoratra tsotra no
tsara indrindra. Mankanesa ao amin'ny andininy momba ny vovo azo ampiendrehana raha mila
mampiendrika karazan'atiny mijotso ho an'ny hafatrao ianao.
Marihina fa i Ted dia tsy natao ho fampiharana mpandefa hafatra mihitsy. Misy ny
safidy hafatra lala-mahitsy saro-dalana izay mitahiry lahatsoratra dia
manondrana azy anaty fampiharana mpandefa hafatra avy eo. Tsy misy ny
zavatra toy ny bokin'adiresy.
Afaka mandefa hafatra amina rafitra telo i
Ted:
·
lahatsoratra/tsotra:
Ny rakitra tsy misy fandrafetana no hafatra. Ny lahatsoratra ihany no
mijanona. Ny sary sy firafitra rehetra dia esorina avy amin'ny rakitra.
·
fampharana/rtf:
Alefa amin'ny rafitra mitovy tsy misy hafa amin'ny fampirimana azy ho
tahiry ny rakitra.
·
lahatsoratra/html:
Alefa amin'ny rafitra HTML ny lahatsora-drakitra. Ny tena mitranga dia tsy
ny HTML izay ho notahirizina anaty kapila fotsiny ny atiny. Ny HTML sy ny
sary nampidirina dia alaro ho hafatra marotsinjara mifandray amin-kafatra
fakan-tahaka mifandrindra amin'ny rfc 2557 (hafatra HTML).
*)
Mahazo ny
hafatra ny mpandray Id (Iray Dika) ary lazaina eo andohan'ny
taratasin-kafatra.
Mahazo ny
hafatra koa ny mpandray Idm (Iray Dika Miafina) saingy tsy lazaina eo
andohan'ny taratasin-kafatra.
Ao amin'i Netscape 4.0, fidio ny `Mandrary', `Safidy
Voalohany...', `Navigator, `Fampiharana', dia piho eo amin'ny
`Reva-Tsoratra Firafitra'; avy eo piho ny bokitra `Mandrary'. Ampidiro ny Ted '%s' eo amin'ny
fahitry ny `Mandrary' anaty `Fampiharana'
Ny vokatra azo dia andalana fampiharana/rtf;/Ted' '%s' ao amin'ny
tahiry $TRANO/.mailcap izay
ampiasain'ny mpamaky hafatra hamantarany ny rindranasa ho ampiasaina
hamelarana karazam-piatin-kafatra sasany.
Azonao natao koa ny nampiditra an'io andalana io
miaraka amin'ny mpandrary lahatsoratra toy ny vi sy emacs.
Amin'ny ankapobeny dia tsy ilaina
ampiendrehina na ampanjifaina i Ted. Na izany aza, azo ampanjifaina amin'ny alalan'ny
kiralefam-bovom-pampiharana mahazatra X11 ny lahatsoratra sy fipetraka
mijotso rehetra. Tsy mampiasa anaran-drakitra filatro i Ted, noho izany, tsy misy vovom-pilatro azo
apetraka amin'ny fampiasana ny kiralefam-bovom-pilatro *). Mankanesa ao
amin'ny tahiry /usr/local/info/Ted.ad.sample misy tahirim-bovo ohatra nomarihina.
Raha hampitsimbadika ny sanda
mijotson'ny vovo navangongo
anatin'i Ted dia apetraho ny
andalana izay ovainao ho tahiry $HOME/Ted ao anatin'ity tahiry. Raha tsy tia tahiry tazana mazava ao anaty
lahatahirin'ny tranonao ianao dia aidiro ny andalana novaina anatin'ny
$HOME/.Xdefaults na $HOME/.Xresources
Mampidira andalana miendrika Ted.someprop: somevalue isaky ny toetra
miavaka antsoina hoe some.prop.
Mikasika lahatsoratra amin'ny baiko
samy hafa eo amin'ny hoaka ny ankabeazan'ny fipetraka.
Tsy voafaoka ao anatin'ity
bokim-pampidirana ity ireny. Mankanesa ao amin'ny tahiry Ted.ad.sample misy ohatra sy fanazavana raha
te-hanova lahatsoratra ianao, toy ny fametrahana ao an-toerana an'i Ted.
Satria miaty ny fijotsoana rehetra ny
tahiry santionana dia izay ovainao ihany no misy dikany.
Miantraika amin'ny fahafaha-miasan'i Ted ireto toetra mampiavaka ireto:
Endritsoratramijotso: Ampiasaina ho endritsoratry ny rakitra vao.
Ny rafitry ny rohitra dia: <Vory>,<Lanja>,<Mandry>,<Habe>,<Mitsipika>.
E.G. "Helvetica,,,10" na "Times,Matevina,Mandry,14,Mitsipika".
Aza apetraka anaty tahirim-bovo anaty faingo miantona ny sanda.
fampihebana: Fampihebana ho an'ny raki-tsarisary eo amin'ny
fidisana. Ny sanda mijotso dia 1.2 ho an'ny 120%.
venty:
Ny venty
ampiasaina am-pijotsoana. Miantraika amin'ny fitrangan'ny fanipika sy
fandraisana ny isa aiditra eo amin'ny fitaovam-pisehom-pejy ity vovo ity. Ny sanda mety dia: intsa, ",
sm, mm, teboka, pt (tk), picas (pika), pi (pi).
taratasy:
Ny
rafi-taratasy anaty mpanonta. Ny rafi-taratasy no ampiasaina ho habem-pejy
mijotson-drakitra vao. Raha kely kokoa ny habem-pejy ampiasaina dia
ampiasain'i Ted ny
vovon-taratasy hanontana ny zoro ambony havian'ny taratasy. Ny sada mety
dia: a4,a5,letter,legal,executive sy rohitra miendrika <Sakany> x
<Haavo> ary amin'io, ny <Sakany> sy <Haavo> dia saka
mitombina. Ny saka mitombina dia rohitra miendrika <Isa> <Venty>.
Nomena ery ambony ny sandam-benty. Raha tavela ny <Venty> dia
vinavinaina ny sandan'ny vovom-`benty'. Tsy manatoby haben-taratasy ho
an'ny tahiry anaty tahiry ny tahirin-dahatsoratra tsotra. Ampiasaina
amin'ny fisehom-pejy ny vovon-taratasin'i Ted isaky ny lahatsoratra tsotra sokafany.
Mpanontamijotso: Raha te-hampiasa mpanonta hafa noho ny mpanonta
mijotso avy amin'i Ted ho
mpanonta mijotso ianao dia azonao ajadona ity vovo ity hifidianana an'ilay mpanonta amin'ny fotoana voalohany
ampiasanao ny Dini-Tonta.
Sisinahavia: Ny sakan'ny sisina havian-drakitra vao. Tsy maintsy
saka mitombina ny sanda.
Sisinahavanana: Ny sakan'ny sisina havanan-drakitra vao. Tsy
maintsy saka mitombina ny sanda.
Sisinaandoha: Ny haavon'ny sisina andohan-drakitra vao. Tsy
maintsy saka mitombina ny sanda.
Sisinaantongotra: Ny haavon'ny sisina antogo-drakitra vao. Tsy
maintsy saka mitombina ny sanda.
Atin-kafatra: Ny karazan'aty mijotso ho an'ny hafa-taratasy.
Lahatsoratra tsotra ny mijotso. Ny anaram-bovon-tsakafo options. I.E
mailPlain,mailRtf,mailHtml no sanda mety..
hafatraAvyamin'i: Ny mpandefa mijotson'ny taratasin-kafatra. Tsy
misy sanda mijotso fa rehefa tsy misy nomena dia manandrana mamboatra
anarana toy ny `Anaranao<login@host.domain>
ny rindranasan-kafatra. Raha sintoninao avy amina mpandroso an-tserasera ny
hafatrao dia omeo eto ny adiresin-kafatrao amin'ilay mpandroso, fa tsy ny adiresy ananao ao anaty solosainao.
Mpandrosohafatra: Ny tohy SMTP ampiasaina hampitana ny hafatrao.
Ny `localhost' no mijotso.
Lahatahiryafm Ny lahatahiry izahan'i Ted tahirin'endritsoratra mimetatra. Ny endritsoratra manan-tahiry
mimetatra ihany no azon'i Ted
ampiasaina. Amin'ny fametraha-mijotso dia ao amin'ny /usr/local/afm no
antenaina hisy ny tahiry mimetatra. Ilaina ity vovo ity indrindra indrindra rehefa tsy afaka mametraka an'i Ted amin'ny maha-faka ianao ary voatery
manatoby ny tahiry mimetatra anaty lahatahiry manokana #).
spellToolSystemDicts: (FitaovantsipelinaDrafiDrakb) Ny lahatahiry
izahan'i Ted
takibolan-tsipelina. Amin'ny fametraha-mijotso dia azo amin'ny
/usr/local/ind no antenaina hisy ny takibolan-tsipelina. Ilaina ity vovo ity indrindra indrindra rehefa tsy
afaka mametraka an'i Ted
amin'ny maha-faka ianao ary voatery manatoby ny rakibolana anaty lahatahiry
manokana #).
AnaranaTahirindrakitra: Ny anaran'ity tahirin-drakitra manday ity.
Amin'ny fametrahana mijotso ity dia /usr/local/info/TedDocument.rtf. #)
Baikotahadika: Ny baiko ampiasain'i Ted handefasana ny rakitra iasana ho tahadika. Anaty baiko, ny %f dia
soloina anaran-tahiry tselika, ny %n soloina mari-daharan'ny tahadika, ary
ny %t soloina ny lohatenin'ny hoakan-dahatsoratra. Heverina fa manaiky
ParaSora ho fahana ny baikon-tahadika. Soratana amin'ny ParaSora ny tahiry
tselika raha miaty fitranana %f ny baiko, raha tsy izany dia mizohy mankao
anaty baiko ny ParaSora. Lavina ny baiko tsy misy lasitra %f mba hialana
amin-tseho hafahafa. Mandeha ireto manaraka ireto ao amin'ny
fonosan-tahadika tendrilavitr'i Ed Casas:
a)
Mandefa tahadika fotsiny
dia miandry ...
Ted.faxCommand:
( ( fax send '%n' '%f'; rm '%f' ) )
b)
Mandefa tahadika, tsy
miandry fa mandefa tatitra amin'ny mpandefa...
Ted.faxCommand:
( ( fax send '%n' '%f' 2>&1; rm '%f' 2>&1 ) | mail -s 'Fax
%t' mark@localhost ) >/dev/null 2>&1 &
Mikasika
tahadika koa ny ovan-tontolo APP_FAX_TO. Mankanesa ao amin'ny tsinjara
momba ny fanontana.
customPrintCommand: Baiko hanontana amina mpanonta ampanjifaina.
Mankanesa ao amin'ny andininy momba ny fanontana raha mila antsipirihany.
customPrinterName: Ny anarana ampiasaina hanondroana ny baikon'ny
mpanonta ampanjifaina eo amin'ny Dinika Manonta. Mankanesa ao amin'ny
andininy momba ny fanontana raha mila antsipirihany.
defaultAnsicpg: Ny mari-daharan'ny peji-maritomboka izay
vinavinaina rehefa tsy miaty kirambo rtf 'ansicpg' ny rakitra. Ampiasaina
koa io rehefa mamboatra rakitra vao. Amin'ny ankapobeny, tsy mety loatra ny
manajadona an'ity vovo ity raha
tsy mametraka endritsoratra. Vitsy dia vitsy ny peji-maritomboka tena
zaka. Rehefa tianao hanohana ny peji-maritombokao aho dia mila ny
fanampiana mavitrikao aho hanoltora rakitra ohatra sy hisedra ny
fandrosoako.
*)
Miavaka ny
filatron'Akora. Mety ho ilaina ny manajadona vovo Fandrefitany ho ana mpandrindra hoaka hafa noho ny mwm. Omena etsy ambany ny
anaran-pilatron'Akora.
#)
Mitaky
angona tsimiankin-drafikanto ny totohan-drohindrafi-tahiry mifaobe amin'ny
Debian Linux mba hipetraka ao amin'ny /usr/share. Ny fonosana Ted zarain'ny mpampiely Debina Linux dia
mametraka ny tahiry ao amin'ny /usr/share/Ted/afm, /usr/share/Ted/ind
sy /usr/share/Ted/info, raha
asesy. Mety hiakoan'ny dingana tampony makefile Ted ny sanda
mijotson'ireo lahatahiry ireo.
Azo atao ny mampiasa endritsoratra
ambonin'ny Times, Symbol, ary Courier avy amin'i Ted. I Ted dia afaka
mampiasa endritsoratra manan-tahiry .afm ao anaty /usr/local/afm izay mety
hahitana tandrify X11. Lazaiko etsy ambany ny fanitarana an'io
fehezan'endritsoratra io ho angona Adobe base35 izay misy anatin'ny
ankabeazan'ny mpanonta sy anaty GhostScript.
Ireto manaraka ireto no vinavinaiko:
·
Nampidininao
ny tahiry AFM mifanaraka avy ao amin'ny lahatahiry
/pub/adobe/type/win/all/afmfiles/base35 ao amin'ny ftp://ftp.adobe.com. Io
ny tahiry rehetra ao amin'ny lahatahiry analana an'ireo Helvetica
Condensed.
·
Nesorinao
ireo tarehintsoratra mpitatitra maniditra eo amin'ny vodilaharan'ny tahiry
something.afm, ary nesorinao avy tao amin'ny tahiry ny tarehintsoratra
faran'ny Control-Z.
·
Ianao dia
nahazo ny fehezan'endritsoratra parasora karazana 1 izay fandraisan'ny
orinasa alemana URW++ anjara amin'ny GhostScript. E.G. tamin'ny
fanatsoahanao azy avy amin'ny CD-ROM manaraka ny boky: Merz, Thomas,
"Postscript & Acrobat/PDF", Springer-Verlag, Berlin &c,
1996, ISBN 3-540-60854-0.
Araho ireto manaraka ireto:
·
Adikao ao
amin'ny /usr/local/afm ny tahiry afm. Na esorina ny tahiry napetrk'i Ted ao, na tsy apetrakao ny tahiry .afm ho
an'ny endritsoratra efa manan-tahiry .afm avy amin'i
Ted. Tadidio ny fanamarihana mikasika ny
fiverenam-pitatitra sy ny tarehitsoratra control.z.
·
Apetraho
anaty lahatahiry ny endritsoratra URW++. Raha vao napetrakao ny lahatahiry
X11 Karazana1 dia ampifanaraho ny tahiry fonts.dir sy fonts.scale ao. Raha
apetrakao anaty lahatahiry miasaraka dia ampio ny lahatahirin'ny
lalan'endritsoratry mpandroso X11. E.G. amin'ny fanisihana andalana toa ny xset fp+ /home/gaai/mark/URW-Fonts/ ao
amin'ny $(HOME)/.xinitrc. Omena etsy ambany ny andalana ho an'ny
endritsoratra hafa hasisika ao amin'ny fonts.dir sy fonts.scale. Ny
andalana voalohany ao amin'ny tahiry dia milaza ny isan'ny endritsoratra.
Mba tsy hanahirana anao dia ampidirina ao anaty ohatra ny andalana sasany
rehetra.
·
Mametraha
soritsarisary ao amin'ny endritsoratra X11 izay ho ampiasaina eo amin'ny
fidisana avy ao amin'ny anaran'endritsoratra mifaoben'ny mpanonta Parasora.
Ao amin'ny ohatra omeko dia mampiasa ny endritsoratra URW++ izay napetraka
tao amin'ny dingana eo aloha aho. Mba tsy hanahirana anao dia nampidirina
daholo ny andalana rehetra. Marihina fa misolo ho anaran'endritsoratra
parasora ny anaran-tahirin'endritsoratra, ary misolo ho kintana ny aotra
rehetra. Nofafako ny andalana ho an'ny endritsoratra manara-dalana satria
tsara endrika kokoa ny endritsoratra mahazatra noho ireo azo vaniana
tetika. Rehefa mahitsy mazava ihany ny soritsarisary avy amin'ny
anaran'endritsoratra ParaSora mankao amin'ny anarana X11 vao mivoana ity
dingana ity. Torak'izany koa fitrandrahana manokana mifaobe izahana
endritsoratra X11 miaraka amina ParaSora araky ny lazainao an'i Ted ao anaty ny tahiry.
Ireto manaraka ireto ny andalana izay asisika ao
anatin'ny fonts.dir sy fonts.scale ho an'ny endritsora-tsamy hafa URW++ :
a010013l.pfb -urwpp-urw gothic
l-book-r-normal--0-0-0-0-p-0-iso8859-1
a010015l.pfb -urwpp-urw gothic
l-demi-r-normal--0-0-0-0-p-0-iso8859-1
a010033l.pfb -urwpp-urw gothic
l-book-i-normal--0-0-0-0-p-0-iso8859-1
a010035l.pfb -urwpp-urw gothic
l-demi-i-normal--0-0-0-0-p-0-iso8859-1
b018012l.pfb -urwpp-urw bookman
l-regular-r-normal--0-0-0-0-p-0-iso8859-1
b018015l.pfb -urwpp-urw boo